ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nanendry mpisolo toerana vonjimaika ny lefitra voalohany ny kaominina

Nanendry olona iray ho mpisolo toerana vonjimaika ny Lefitra voalohanyny Kaominina Ankadikely Ilafy. I Rasoavololonjanahary Lalaina Patricia no voatendrin’ny ben’ny tanàna tamin’izany, izay efa nandray ny asany avy hatrany omaly.

« Ho fandaminana sy ho fitohizan’ny asa aman-draharaha eto amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy no nanendrena azy. Tojo tsy fahasalamana mantsy ny Lefitra voalohany, Fianara Benjamin, amin’izao, kanefa ny asa tokony hiroso foana » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Mirary soa ny mpisolo toerana vonjimaika ny lefitra voalohany hahatontosa an-tsakany sy an-davany ny asa sahaniny. Mirary fahasalamana ho an’ny tsy salama ihany koa izahay mponina. Ny tanàna mandroso no tanjona iombonana » hoy i Patrick, mponina ao Ankadikely.

Tsy tokony ho sakana tsy hampandroso tokoa ny tsy fahasalamana. Tsara tokoa ny miroso hatrany mitady vahaolana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire