Ambohimanambola : Hisy ny fampianarana zaitra maimaimpoana
Hisy ny fampianarana zaitra maimaimpoana karakarain’ny kaominina Ambohimanambola. Hifarana ny zoma 29 aprily izao ny fisoratana anarana.
« Betsaka ireo tanora liana amin’ny fianarana zaitra saingy noho ny tsy fahampian’ny eo am-pelatanana dia mihemotra. Izany indrindra no antony nanaovana ity fampiofanana maimaimpoana ity » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanamboloa. « Tena mahaliana mihitsy ny tahaka izao. Fotoana mihitsy hanararaotana hianaran-javatra. Afaka manangana orinasa sy miasa tena avy eo. Tsy voatery mividy foana tokoa mantsy vao afaka ny hiakanjo tsara » hoy i Tsiry, tanora avy ao Ambohimanambola.
Ao amin’ny biraon’ny Kaominina varavarana voalohany no hanaovana ny fisoratana anarana. Ireo tanora liana rehetra, eny fa na ny lehibe ihany koa aza, no antsoina amin’ny hetsika.
Nicole Rafalimananjara
