ActualitésTsidika

Fanabeazana : Hampitomboana ny fahalalan’ny olompirenena mahakasika ny haino vaky jery sy ny fampiasana izany

Notanterahina ny herinandro teo ny herinandron’ny fanabeazana mahakasika ny haino vaky jery sy ny fahazoana vaovao. Rah ate hanaraka ny fiainanm-pirenena ny olompirenena rehetra dia ny vaovao sy ny zava-misy amin’ny alalan’ny haiku vaky jery taloha sy ny ankehitriny no hampiasainy. Misedra olana anefa izany satria tsy ampy ny fahaizan’ny olona mandray vaovao ka indray mandika zavatra diso sy manaparitaka zavatra tsy marina.

« Ny tanjona tamin’iny hetsika iny dia ny mba hampitomboana ny fahaizan’ny olompirenena mandray vaovao ary indrindra manivana ny vaovao marina sy diso. Matoa ny vaovao iray mivoaka dia tena zava-nisy fa ny fomba fitondran’ny mpanao gazety azy no samihafa ka miteraka hevi-diso amin’ny olona izany. Nandritra ity hetsika ity no nampahafantarina ny olompirenena fa tokony hiaino vaovao rehetra vao mandray tsoa-kevitra mba hampzava ilay vaovao », hoy ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ny laha-teniny.

« Efa maro ankehitriny ny fitaovana hahafahana mamoaka vaovao. Na izany amin’ny alalan’ny “medias traditionnels” na ny “nouveaux medias”. Nandritra iny hetsika iny ihany koa no nahafahana nanampy ny olona hijery ireny rehetra ireny raha te hahazo ny vaovao mari-pototra. Efa maro amin’ny mpanao gazety eto Madagasikara no miditra amin’ny fampiasana ny aterineto ka fomba iray nahafahana mampiroborobo azy ireny iny fotoana iny », hoy ny solontenan’ireo mpanao gazety mivondrona ao amin’ny OJM.

Andraikitry ny olompirenena rehetra no maharaka ny zava-misy eo amin’ny firenena misy azy. Adidin’ny mpanao gazety no mampahafantatra ny tena zava-misy marina ary hatao manan-danja ireo sokajina olompirenana rehetra amin’ny fanoratana mba ho mora raisina ilay izy. Amin’ny maha tany demokratika ihany koa anefa dia azon’ny olompirenena hatao ny maneho ny heviny mahakasika ny zavatra hitany. Tsy misy ny lalàna mandrara izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire