Etats-Unis : Nanomboka ny fandroahana mpiasa tao amin’ny Twitter
Nanomboka nanena ny mpiasany ny orinasa Twitter, izay efa eo ambany fahefan’i Elon Musk. Raha tsiahivina dia ny volana aprily teo no nifaranaka io lehiben’ny Tesla io sy ny tompon’andraikitrin’ny Twitter fa ho hovidian’i Elon Musk 44 tapitrisa dollars ny orinasa.
Nohamafisina tamin’ny fomba ofisialy ny 3 novambra teo ny fanesoran’i Twitter mpiasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary natomboka ny zoma teo ny fandefasana mailaka tamin’ireo mpiasa. Nandefasana mailaka tamin’ny kaonty manokana ireo mpiasa noesorina, raha tamin’ny mailaka « professionnel » kosa no nanoratana ho an’ireo mpiasa notanana. Tsy voafaritra kosa ny isan’ireo mpiasa ho esorin’i Twitter.
