SocialTatitra

Manille : Manidy ny sisin-taniny ho an’ireo olona ivelan’ny fireneny

Nanapa-kevitra ny hanidy ny sisin-taniny ho an’ireo olona ivelan’ny fireneny ry zareo Philippines. Ny harivan’ny talata 16 martsa teo no nandraisana io fepetra vonjimaika io. Amin’ny 20 martsa ho avy izao kosa izany vao hiatra. Nahitana fiakarany goavana ny isan’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimon-karetina coronavirus ao an-toerana. Ny alatsinainy 15 martsa lasa teo, tafakatra 5.404 ireo olona mararin’ity areti-mandringana ity ao Manille. Io no taha ambony indrindra tao anatin’ny 7 volana izao raha ho an’ity renivohitra ity manokana. Mbola mitohy hatrany arak’izany ny famerana amin’ny fivezivezena amin’ny alina. Tsy voakasik’io tsy fahafahana miditra ao Manille io ireo Philippines miasa any ivelany hoy ny tompon’andraikitra. Saingy voafetra ho 1 500 isan’andro ihany ireo afaka mody. Efa naharay levim-patram-baksiny voalohany maherin’ny 1 tapitrisa i Manille ary manantena hahavita hanindrona olona manodidina ny 70 tapitrisa amin’ity taona ity hoy ny governemanta ao an-toerana.

Laisser un commentaire