SportTatitra

Etats-Unis : Mbola baraingo ny hiverenan’i Tiger Woods hilalao indray

Taorian’ny ratra tamin’ny tongotra nahazo azy nanditra ny lozam-pifamoivoizana niseho ny 23 febroary lasa teo, nody soa aman-tsara ihany i Tiger Wood, mpilalao “golf” ary manohy ny fitsaboany tena any an-tranony, hoy izy ny talata 16 martsa. Mbola andrasana kosa ny fiverenany na tsia eo amin’ny sehatry ny filalaovana golf. Tao amin’ny ivon-toeram-pandidina Harbor-UCLA, atsimon’i Los Angeles no nandraisana ity kintan’ny golf ity. Nitaky fampidirana tsora-by ny taolan-dava amin’ny tongony havanana. Teo ihany koa ny visy entina hanamafisana ny taolana amin’io tongony io sy ny kitrokeliny. Telo andro taorian’ireo fandidina natao tamin’i Tiger Woods ireo, nafindra tao amin’ny Cedars-Sinaï izy ahafahany manohy ny fitsaboana io tongony havanana io sy mba hanatanjahany tena tsikelikely. Nambaran’ny polisy tao Los Angeles fa tena nanam-bitany i Tiger Woods, velona tamin’ny toe-javatra nahazo azy. Raha tsiahivina, ny volana janoary teo no nanaovana ny fandidina faha-5 ny lamosiny. Taorian’izay, nanambara ny mbola tsy ahafahany mandray anjara amin’ny Masters amin’ny volana aprily ho avy izao i Tiger Woods. Vao may manjavozavo arak’izany ny mety ho fiverenany milalao taorian’ilay lozam-pifamoivoizana nahazo azy ny volana febroary lasa teo.

Laisser un commentaire