Avaradrano: Norombahan’ny kaominina Ambohimangakely ny amboran’ny “Tournoi inter-communal Basket-ball Avaradrano” sokajy vehivavy
Notontosaina tamin’ny sabotsy teo ny lalao famaranana tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena teto amin’ny distrika Avaradrano, eo amin’ny taranja basket-ball. Teo amin’ny sokajy vehivavy, norombahan’ny ekipan’ny kaominina Ambohimangakely ny amboara. Ny kaominina Alasora kosa no nahazo ny amboara laharana voalohany, eto amin’ny sokajy lehilahy.
“Izao fandresen’ny ekipa vehivavy izao no nisy dia noho ny vokatry ny ezaka nataon’ny mpilalao sy ny fanohanana avy amin’ny rehetra, niampy ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta dia ny mpilalao sy ny mpanohana. Hisaorana ny rehetra satria mirehareha ny kaominina fa misongadina eo amin’ny lafin’ny ara-panatanjahan-tena” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Anisan’ny mampivoatra ny tanora sy fanatanjahan-tena ny fifaninanana tahaka izao, tsara omena vahana sy lanja hatrany ho fampiroboroboana izany satria antoky ny fampandrosoana ny fandraisana an-tanana ireo tanora ireo” hoy i Rolland, mpitantana klioba.
Ho marik’izany fandresena izany moa dia notoloran’ny ben’ny tanàna miadidy, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy lela-vola 2.000.000ariary ireto ekipa nibata ny amboara ireto. Nomena vola 500.000ariary kosa ireo ekipa lehilahy izay raraka teo amin’ny manasa-dalana. Natolotra moa izany mba ho fanohanana ireo mpilalao hatrany, araka ny vaolaza.
Manitra R.
