Ankadikely Ilafy : Tonga ao an-toerana ny Jirama handray ireo mpisitraka Jiro mora
Tonga ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy amin’izao fotoana ireo fiaran’ny orinasa Jirama mitety vohitra, misy ireo tomponandraikitra mandray ireo mponina ao an-toerana, izay misitraka ny jiro mora, izay atolotry ny Jirama.
“Ho an’ireo izay efa nivaly ny fangatahany ka voasoratra anaty lisitra teny amin’ny Fokontany, afaka mandoa ny vola tetibidy mahakasika ny jiro mora izy ireo sy izay mbola te hanao fangatahana izany tolotra izany dia mandray antsika eto anivon’ny biraon’ny Kaominina amin’izao ny JIRAMA. Ka antsoina ho tonga ireo izay liana sy voakasik’izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Nanomboka omaly alarobia izany fandraisana izany ary mifarana rahampitso zoma 13 Oktobra. Misy ireo dingana arahina mandritra izany ka tsara miomana mialoha ary mivonona amin’ireo fifanarahana isan-karazany ahafahana misitraka izany” hoy hatrany ny fanazavana.
Ho an’ireo mpisitraka izany jiro mora izany moa dia mila maka ny laharan’ny dossier eny amin’ny fokontany nanarotana anarana, mialohan’ny andoavana ny devis 30.000ariary eny amin’ireo tomponandraikitra. Ilaina ihany koa ny mitondra ny karapanondrom-pirenena mandritra izany.
Manitra R.
