ActualitésTatitra

France : Hamoraina ny fampiasana ny rano efa niasa

0,6% ny rano maloto ao France ihany no averiny ampiasaina raha 8% izany ho an’i Italie ary 14% ho an’i Espagne. Ny didy amam-pitsipika nasionaly hentitra sy ny fahasarotan’ny fanomanana ny antontan-taratasy amin’ny fikarakarana izany rano izany no anisany mahakely io taha io hoy i Julie Mendret, « docteure en génie des procédés de l’environnement ».Ny famerenana mampiasa ny rano maloto nefa dia ahafahana mitsitsy ny ranomamy hoy izy ary anisan’ireo tombony amin’ny fanatanterahana izany fampiasana azy indray antsoina hoe « reuse » izany. Sehatra iray ahafahana mifehy ny fiakaran’ny fihafanan’ny tany amin’ny loharanon-drano ihany koa izany.Manoloana ireo tranga ireo dia hohamoraina ny fampiasana ny rano efa niasa ao an-toerana. Nametraka tanjona vaovao i Europe dia ny fampiakarana ny 1.7 lavitrisa metatra toratelo isan-taona ho 6.6 lavitrisa hampihenana 5% ny tsy fahampiana ao amin’ny Union Européene hatramin’ny taona 2025 izao.

Laisser un commentaire