Kenya : Olona 89 no maty noho ny fifadian-kanina tafahoatra
Olona maro no maty tao amin’ny fiangonana zandriny iray atao hoe «Église internationale de Bonne Nouvelle » tao Kenya. Manoloana izany dia nanao fanadihadiana lalina ireo tompon’andraikitra. Fantatra tamin’izany fa olona nanao fifadian-kanina tafahoatra noho ny antony ara-pivavahana ireo namoy ny ainy ireo.
Ny talata 25 aprily teo dia olona 16 isa hafa indray no hitan’ireo manam-pahefana maty tao amin’ny alan’i Shakahola, any atsinanan’i Kenya. Fantatra fa mpikambana tao amin’ilay fiangonana zandriny ihany koa ireo olona ireo ka tafiakatra 89 antontan’isa ny maty vokatr’ilay fifadian-kanina. Mbola vonjy maika ihany nefa io isa io hoy ny minisitry ny atitany ao an-toerana, Kithure Kindiki. Mbola mitohy mantsy ny fikarohana ireo olona hafa mety namoy ny ainy vokatr’io fombafomba ara-pivavahana io.
Nanamafy ny tompon’andraikitra fa hohenjehina i Paul Mackenzie Nthenge, izay mpitarika io fiangonana io. Nilaza kosa ny filohan’i Kenya, William Ruto fa hetsika fampihorohorona (terrorisme) no nataon’io mpitandrina io.
