Etats-Unis : Ny intelligence interpersonnelle arak’i Howard Gardner
Ny faharanitan-tsaina eo amin’ny fifandraisana na interpersonnelle arak’i Howard Gardner dia fahaizana mahazo ny hafa, mifandray aminy ary maminavina fisehoan’ny fitondran-tenany.
Ahafahan’ny olona iray manao fihetsika sy maneho hevitra araka ny tokony ho izy amin’ny hafa ny fanana faharanitan-tsaina eo amin’ny fifandraisana. Ahatakarana ny fahasamihafana sy ny tsy fitovian-toetra, toe-po ary ny antony manosika ny olona iray hanao zavatra iray ihany koa izy io.
Ny faharanitan-tsaina eo amin’ny fifandraisana no mahatonga ny olona hahay miaraha-miory, miara-miasa, mandefitra fa manodikodina ihany koa (manipuler). Enti-mamantatra fikasan’olona iray izany na tsy miloaka aza ny vavany.
Ahafahana mamaha olana ara-pifandraisana io faharanitan-tsaina io. Ireo olona « charismatique » no tena manana azy, anisan’izany ny mpivarotra, mpampianatra, mpitondra fivavahana, mpitarika…
