ActualitésTsidika

Ambohitrarahaba : Mitaraina ireo ray amandreny sasany amin’ny fanivanana ireo fitaovam-pianarana ilaina any an-tsekoly

Anisan’ny nampimenomenona ireo ray amandreny nampiditra mpianatra, nanomboka tany amin’ny fanoratana anaran’ny ankizy ny fahitana ireo fitaovana mitovy marika napetraky ny sekoly. Tsy voazava amin’ireo ray amandreny ny antony mahatonga ireo sekoly mametraka izay fitaovam-pianaran izay ka mahatonga fimenomenomana isan-karazany. Manana ny antony mahatonga ny fametrahana izany anefa ireo sekoly raha ny voalaza.

« Ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy famporisihana ny ankizy tsy hahatsiaro tena ao anaty fahasamihafana no tena antony aloha voalohany indrindra. Ireo fitaovana angatahan’ny mpampianatra ireo dia natao ho ampy ampiasain’ny mpianatra mandritra ny taona ary everina fa manatsara sy mampazoto ny ankizy hianatra ny fampiasana izany » hoy ny tomponandraikitry ny sekoly iray. « Anisan’ny critère mampahomby ny fahombiazana ny kalitaon’ny fitaovana ampiasaina. Toa izany koa ny any an-tsekoly, marina ary hiharaha-malala tokoa ny fahasarotan’ny vidim-piainana kanefa tsy tokony atao ambanin-javatra ny fianarana » hoy i Fitiavana, mpianatra momba ny lalàna eny Ankatso.

Anjaran’ny eny anivon’ny sekoly araka izany ny mampahafantatra ireo ray amandreny ny antony tokony hampiasana ireo fitaovana angatahan’ny sekoly. Miteraka ady hevitra sy fisalasalana ho azy ireo ny tsy fahalalana ireo antony samy hafa mahatonga izany safidy izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire