ActualitésTsidika

Ankadinandriana : Jiolahy 10 namono mpivady no nahiditra am-ponja

Jiolahy 10 namono nahafaty mpivady tao amin’ny fokontany Antanantsara, distrika Ankadinandriana, tamin’ny alin’ny 17 aogositra 2022 no nahiditra am-ponja taorian’ny famotorana sy ny fitsarana azy ireo ny talata 06 septembre lasa teo. Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy ny efatra amin’ireo jiolahy ary eny Antanimora kosa ny 06.

« Rehefa natao ny famotorana azy ireo dia fantatra fa vokatry ny ady tany sy lonilonim-piarahamonina no antony nahatonga ny famonoana ireo mpivady tao Ankadinandriana ireo. Ka io taorin’ny fitsarana azy dia efa nahazo ny sazy mendrika azy avy izy ireo » hoy ny tomponandrikitra tao amin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Ankadinandriana. « Vono olona tao anaty fandikan-dalàna ilay zava-misy. Raha ny lalàn’ny fiaraha-monina dia hoe aina solon’ny aina, maso solon’ny maso, tamin’ity indray mitoraka ity aina roa no nalatsak’ireo jiolahy. Amin’ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara, arovan’ny lalàna ny zon’olombelona ary mendrika azy ny sazy nomen’ny fitsarana azy » hoy Annie, mahay lalàna, mpampiofana momba ny zon’olombelona.

Araka izany, sazy mendrika sy mifanaraka amin’ny lalàna no omena ny olona meloka tahaka izao, izay omen’ny fitsarana aorian’ny famotorana. Tsy manana alalana hiroso amin’ny fanaovana fitsaram-bahoaka kosa ny mponina na nisy aza ireo mponina te hitroatra nanoloana ity tranga ity, amin’ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire