ActualitésTatitra

La Réunion : Tontosa ny andro fankalazana ho an’ireo tsy manan-kialofana tao Port

Olona tsy manan-kialofana manodidina ny 150 no tonga tao toeram-pialam-boly Paulette Adois Lacpatia tao amin’ny tanànan’i Port, nankalaza ny noely ho an’ny ho an’ireo tsy manan-kialofana. Nisitraka sakafo maraina sy atoandro, toeram-pidiovana ary fanampiana maro samihafa ireo olona tsy manan-kialofana ireo.

Namabara nandritra izany ihany koa fa afaka mizaha fahasalamana isam-bolana ao amin’ny Médecins du Monde, fanampiana ara-tsaina miara miasa amin’ny EPSMR ireo tsy mana-kialofana ireo sy ireo tena sahirana. Io hetsika fankalazana io kosa dia notontosain’ny komity misahana ny tsy an’asa sy ny tsy manan-kialofana.

Laisser un commentaire