ActualitésTsidika

Harena an-kibon’ny tany: Mbola mitoetra ihany ireo sahy mambotry firenena amin’ny fanondranana antsokosoko

Mbola misy ihany ireo Malagasy sahy mandromba ny harem-pirenena ho azy samy irery amin’ny alalan’ny fanondranana antsokosoko. Vato sarobidy milanja 185 600kilao no saika haondrana antsokosoko tratra tany Mahajanga. Efa tsara paik’ady ireto olon-dratsy ireto satria dia tao anatin’ireo vato haondrana nahazoana alalana indrindra no nasian’izy ireo izany.

“Fitiavan-tena sady tsy fitiavan-tanindrazana izany fihetsika izany. Anisan’ny heloka bevava ihany koa izany ka tsy maintsy handraisana fepetra mifanaraka amin’izany ireo nahavanona izany. Tsy ekena mihitsy ny fandrobana ny harem-pirenena amin’ny endriny rehetra”, hoy ny minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany.

“Dia mankaiza indray no hiafaran’ity vato tratra ity,”, hoy ny fanontanian’ireo mpandra-baovao. Raha tsiahivina dia nisy ny volamena 73kilao izay tratra tao Afrika Atsimo kanefa hatramin’izao dia mbola tsy fantatra ny tohiny sy ny tohin’ireo olona izay nanao iny raharaha iny. Miampy foana izany amin’izao fotoana ireo harena tratra ka tokony haseho mazava amin’ny vahoaka ihany koa ny mahakasika ny fivoaran’ireny raharaha mafana ireny.

Etsy andaniny anefa dia manana adidy ny hiaro ny harem-pirenena ny tsirairay ka tokony hitoroka raha mahita tranga mahakasika izany. Asa mafy ihany koa ny fanafoanana ny kolikoly eny anivon’ny seran-tsambo sy ny fadin-tseranana isan-karazany. Miandry an’iza anefa izany?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire