ActualitésTatitra

Mayotte : Tena hisy ilay hetsika « Wuambushu »

Raha tsiahivina dia nitaky ny fanafoanana ny hetsika « Wuambushu » i Comores. Hetsika izay miteraka resa-be amin’izao fotoana ao amin’ny nosy rahavavy Comores sy Mayotte. Entina handravana ireo tanàna « bidonvilles » sy handroahana faobe ireo mpifindra-monina mitoetra tsy ara-dalàna ao Mayotte moa io « Wuambushu » io.

Raha mbola tsy nohamarinina ny fanatanterahana izany teo aloha dia nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny sampan-draharaham-panjakana fa tena hisy io hetsika io. Amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao no hanombohana izany ary polisy sy zandary 1 000 isa no hahetsika handroaka ireo mpifindra-monina mitoetra tsy ara-dalàna ao an-toerana. Hisy kosa ny fametrahana toerana ho an’ireo olona hafindra toerana ao MJC de Mtsapere, ao amin’ny seranan-tsambo Longoni ary ao amin’ny kianja mitafo samihafa.

Raha ny tanjona napetrak’ireo tompon’andraikitry ny hetsika kosa dia mpifindra-monina tsy ara-dalàna 10 000 isa no haverina any an-tanindrazany ao anatin’ny 2 volana.

Laisser un commentaire