Dépêches

Fitsirihana fiara: Mitohy hatrany ny hetsika ary hihamafy

Dépêche 13 avril, 13h Mitohy hatrany ny fitsirihana fiara eny amin’ny lalam-pirenena sy ny lalana rehetra na dia efa tapitra aza ny fankalazana ny fetin’ny Paka. Hihamafy izany fitsirihana izany izay miseho amin’ny endriny samihafa: ny hafainganam-pandeha, ny tahan’ny alikaola, ny haavon’ny entana sy ireo fepetra rehetra. Misy ny sazy ho an’ireo izay minia mandia ny lalàna rehetra maintoka ny filaminan’ny fifamoivoizana. Eny amin’ny lalambe migodana sy ireo lalana malalaka ary ny lalam-pirenena no tena hanatanterahana ny hetsika. Izany no atao mba hialana amin’ireo lozam-pifamoivoizana isan-karazany.

Laisser un commentaire