ActualitésTsidika

ANTENAINA Foundation : Hanome atrik’asa maimaim-poana ho an’ny vehivavy

Manana ny anjara toerana lehibe eto amin’ny firenana ny vehivavy. Misy arak’izany ny fanomezana atrik’asa maimaim-poana ho an’ireo vehivavy izay liana. Izany moa dia ho tanterahana ny Sabotsy 15 Aprily 2023, eny SKILLZ Tana, Water Front, Ankorondarano. Betsaka ny lohahevitra izay hifampizarana aminio ka ahafahan’ireo vehivavy handray lesona sy fampianarana.

Ilaina tokoa ny fanomezana tolo-kevitra toy izao mba ahafahan’ireo tanora malagasy hitsinjo lavitra sy hananana fahatokisan-tena amin’ny sehatra asa hiantsorahany.   « Hanentana ny tanora (vehivavy) mba hanampy azy hametraka tanjona, hanana fijery miabo, hitady izay làlana hitarika azy ho amin’ny fahombiazany amin’ny lafiny maro », hoy i  Nestoria Raoelison, Filoha mpanorina ny Joyfulness, mpampiofana mandritra io fotoana io.

Mamelona ny ambom-pon’ny vehivavy malagasy ny fotoana toy izao ka tokony hanararaotra izy ireo handray anjara amin’izany. Antoka lehibe ho amin’ny fampandrosoana izao hetsika izao. Marihina moa fa voafetra ho 30 ny afaka mandray anjara mba ahafahana mampita tsara ireo fahalalana, indrindra mba hisian’ny firindrana amin’ny fanantanterahana anizany.

Erwan RAN

Laisser un commentaire