France : Hanolotra volavolan-dalàna momba ny fiatoana amin’ny asa mandritra ny fadimbolana ireo olom-boafidy samihafa
Afaka herinandro vitsivitsy dia ho atolotr’ireo olom-boafidy samihafa ao France ao amin’ny antenimierampirenena ny volavolan-dalàna momba ny fiatoana amin’ny asa, handraisam-bola mandritra ny fadimbolana. Raha ny fanazavan’ny depiote « écologiste », Sébastien Peytavie dia natao ho an’ny vehivavy rehetra mila izany io fanam-pahankekitra noraisina io fa tsy natao noho ny ho an’ny fitiavan-tena manokana.
Raha tsiahivina dia ny tenany sy ireo mpiara-miasa taminy Marie-Charlotte Garin sy Sandrine Rousseau no namolavola io volavolan-dalàna io. Nifampidinika tamin’ny solontena ny fitsaboana sy orinasa samihafa kosa izy ireo talohan’ny nanatontosana izany. Vinavinan’izy ireo ny ho atolotra ny 26 may izao ao amin’ny antenimiera kosa izany.
Marihana fa efa mihatra ao Espagne nanomboka ny volana febroary teo io lalàna io.
