Ankadikely Ilafy: Hisy ny hetsika fanaovana karapanondrom-pirenena maimaim-poana
Hisy ny hetsika fanaovana karapanondrom-pirenena maimaim-poana ho an’ireo tsy mbola manana izany ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ho tanterahina hatramin’ny faran’ny volana desambra 2022 izany hetsika izany, araka ny voalaza.
“Ireo feno 18 taona na mihoatra, izany hoe ireo teraka tamin’ny taona 2004, ka tsy manana karatra no antsoina ho tonga hikarakara izany ety anivon’nny biraon’ny lehiben’ny boriboritany, indrindra fa ireo mpianatra, izay hanaovana fanentanana tokoa amin’ny maha zava-dehibe eo amin’ny olompirenena ny fananana izany” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
“Kopia lava iray sy fanamarinam-ponenana misy sary tapaka ary sary tapaka miisa telo no ilaina ho an’ireo liana na te hanao izany asa izany. Mila kosa taratasy manokana izay fenoina eny anivon’ny kaominina, ankoatra ireo voatanisa eo ambony ireo efa mihoatra ny 18 taona hanao izany” hoy hatrany ny avy amin’ny kaominina.
Tsy tokony atao ambanin-javatra tokoa ny fananana ny karapanondrom-pirenena. Sarobidy ary hahafantarana ny maha izy ny tena sy maha olom-pirenena ny fananana izany, izay hanentanana ireo tsy mbola manana izany indrindra mba hahafahana misitraka ny zo feno eny amin’ny sehetra isan-tsokajiny.
Manitra Ramanantsoa
