Dépêches

Foto-drafitr’asa : Nasiam-panamboarana ireo lalana simba amin’ny RN5

Dépêche 22 novembre, 13h, Manoloana ny fiakaran’ny vokatra litchis sy ny lavanila dia nasiam-panamboarana ny lalam-pirenena faha-5, izay mampitohy an’ny Toamasina sy i Mahavelona. Narenina ireo lavadavaka rehetra mba hanamorana ny famoahana ny vokatra. Ity lalana ity izay efa nampikaikaika ny mponina sy ireo mpampiasa iny lalana iny hatrizay. Haharitra 12 volana ny asa fanamboarana, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa PDDR « Projet de Développement Durable des Routes » sy ny CERC « Composante d’Intervention d’Urgence et de Contingence » izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola hanarenana ireo lalam-pirenena simba tao aorian’ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy.

Laisser un commentaire