Dépêches

Festival de l’écologie : Mila ny fandraisana an-tanan’ny tsirairay ny tontolo iainana

Dépêche 14 novembre, 17h, Notanterahina ny sabotsy lasa teo ny « festival de l’écologie ». Fotoana iray natao hanairana ny olom-pirenena rehetra ny maha zava-dehibe ny tontolo iainana. Hoy ny manam-pahaizana iray hoe «tsy ny tontolo iainana no miala ntsika fa isika no miala azy », noho izany dia tokony harovana tanteraka izany. Novoizina nandritra izany fa fiaraha-mientana amin’ny olom-pirenena no ahafahana mahazo tontolo iainana tsara sy afaka lovain-jafy. Nentanina araka izany ireo olona rehetra nanatrika ny amin’ny fiarovana ny natiora izay adidy sy andraikitry ny olombelona rehetra manerana izao tontolo izao. 

Laisser un commentaire