Basket-Ball : Handray ny lalao Road to Bal indray i Madagasikara
Handray ny lalao Basket ho an’ny Afrikanina indray i Madagasikara. Izany dia ho atao ny 18 ka hatramin’ny 23 oktobra ho avy izao ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahan-tena Mahamasina. Ekipa 48 no hifanandrina amin’izany ary hozaraina ho vondrona miisa 8 ka ireo ekipa roa mahazo isa ambony indrindra isaky ny vondrona no hanao ny ampahavalon-dalana.
