ActualitésTatitra

Norvège : Miakatra ny tahan’ny mpitsidika ny Trolltunga

Teny ao Norveziana midika hoe « lelan’ny troll » ny Trolltunga. Singan’hantsana eny amin’ny haavo 700 metatra ambonin’ny farihin’i Ringedalsvatne, Vestland ao atsimo andrefan’i Norvège izy io. Anisan’ireo hantsana mibahan-toerana ao amin’ny lohasahin’i Hardangervidda ny Trolltunga izay voadidina havoana maro mihoatran’ny 1 500 metatra.

Azo hiazoana amin’ny alalan’ny fiara ny Trolltunga. Mpizaha tany maro no tonga ao an-toerana indrindra eo anelanelan’ny tapakin’ny volana jona sy septambra. 500 hatramin’ny 40 000 taona eo no mpitsidika tonga ao an-toerana isan-taona.

Tovovavy 24 taona avy ao Australie kosa no efa nienjera avy teo amin’ny Trolltunga tamin’ny 5 septambra 2015. Io tranga io notrangam-pahafatesana voalohany teo amin’ny toerana.

Laisser un commentaire