ActualitésTsidika

Orinasa Pharmalagasy : Misedra olana ireo mpiasa ka mitady fiaraha-miasa sy vahaolana

Efa nandritra ny fotoana naharitra izay no nisedra olana goavana ny ampiasan’ny Pharamalagasy amin’ny tsy fandraisan-karama. Mihena ny vokatra vokarina ary ireo vokatra niantombohan’ny orinasa dia tsy misy mpividy intsiony. Rrainy loatra izany satria ny covid-19 dia efa voafehy ary ny CVO+ io tsy misy mividy io intsony.

Manjary miara-miasa amin’ny orinasa maro ny Pharmalagasy ankehitriny noho ireo olana mianjady aminy ireo. Nampitombo sybnamokatra zava-baovao izy ireo ary miara-miasa amin’ny Centre national d’application de recherches pharmaceutiques (Cnarp) mandritra izany. « Tsy ampy ny vola miditra ka tsy voaloha ara-dalana ny karaman’ny mpiasa no antony hiarahana miasa amin’ity centre ity. Efa mitady vahaolana ny fitondram-panjakana fa mandritra izany anefa mila vola ireo mpisa satria mamelom-bady aman-janaka », hoy i Joël  Désiré Rakotozanaka, Tale Jeneraly ao amin’ny Pharmalagasy. « Amiko aloha ny fahamailoana no tsy nisy satria nieritreritra ve izany izy ireo fa hanjaka mandrakizay eo ny covid-19 mba hisy hiveloman’izy ireo ? Tokony vao natsangana io dia efa hita hoe izao ihany koa no ho atao tohiny », hoy i Narisoa, naneho ny heviny tao amin’ny facebook.

Anisan’ny iaraha-miasa ihany koa ny orinasa Fitrama ary nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao izany. Hevitra iray mety ihany koa anefa izany hahafahana mampitombo ny lazany sy mampiakatra ny vola miditra ao aminy ary mampiakatra ihany koa ny ekonomia Malagasy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire