Ambohimanambola : Hiatrika ny lalao manaraka ireo ekipa tafiakatra amin’ny alahady izao
Ny alahady ho avy izao no hanatanterahana ny lalao ampahavalon-dalana, eo amin’ny taranja baolina kitra, izay atao ao Ambohimanambola, kianja Andohalo Ambohibato, amin’ny alahady ho avy izao.
« Ireo ekipa nilalao tamin’ny heriny ka tafiakatra hanohy ny lalao ihany no mbola ho tazana ao an-toerana hiatrika ny lalao am-pahavalon-dalana dia ny ekipan’ny FC Lion avy any Ampahimanga, ny Juarez Alasora, Delta Sport avy ao Ankazobe, FC famille Androhibe ary ny Taram FC avy ao Antaramanana ary ireo ekipa hafa avy any amin’ireo kaominina rahavavy » hoy ireo mpikarakara ny lalao.
«Tsy natao ho an’ireo ekipa avy eto amin’ny kaominina irery ihany ity lalao ity fa handraisan’ireo kaominina rahavavy anjara tokoa. Anisan’ny tombony lehibe izany ary angatahana fanohanana hatrany ho fampandrosoana izany taranja izany satria mampiray n y tanora io taranja io » hoy i Sambatra, mpitantana klioba.
Mitombo lenta hatrany ny fifaninana baolina kitra eto amin’ny kaominina. Anisan’ny olana resahana matetika ny tsy fahampian’ny fanohanana ity fanatanjahantena iray ity izay anisan’ny sakana amin’ny fampiroboroboana izany.
Manitra Ramanantsoa
