ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Tsy mifanaraka ny fitantanana ny fandrindrana ny fako

Nisy ny fampatsiahivana mahakasika ny fitantanana ny fako nataon’ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alatsinainy teo. Tsy mifanaraka amin’ny olana misy mahatonga ny fivangoana sy ny fiparitahan’ny fako ao an-toerana anefa izany, raha ny voalaza.

« Tsara hatrany ny mampatsiahy sy manamafy ireo mponina ny tokony hanajana ny ora fandraisana sy fanariana ny fako amin’ny toerana natokana ho amin’izany mba tsy hisian’ny fiparitahan’ny fako » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Tsy ny resaka tsy fanajana ny ora fanariana fako sy fandraisana izany mihitsy no olana mahatonga ny fivangonan’ny fako sy mameno arabe, fa eo indrindra ny antony avy amin’ny tomponandraikitra izay tsy maka izany ara-potoana » hoy i Haja, mponina ao Ambohitrarahaba.

Mila fandraisana andraikitra sy fahatsapa-tena eo amin’ny roa tonto, dia ny mponina sy ny kaominina araka izany ny fandaminana ny fitantanana ny fako ao an-toerana ity. Ny ora napetraky ny kaominina hanariana ny fako moa dia amin’ny 05 ora maraina ka hatramin’ny 07 ora. Amin’ny 06 ora ka hatralin’ny 09 ora kosa ny hariva.

Manitra R.

Laisser un commentaire