Fampianarana : Mbola misy ireo sekoly tsy miasa
Nanomboka androany alatsinainy 31 janoary ny fisokafan’ny ankamaroan’ny sekoly taorian’ireny andro ratsy ireny. Mbola eo kosa anefa ireo sekoly mandray tra-boina tsy afaka mandray ny mpianany aloha.
« Sekoly miisa 32 no mbola mampiantrano ireo tra-boina taorian’ny andro ratsy amin’izao. Miisa 70 ireo sekoly nandraisana azy ireo teny am-piandrohana raha toa ka 38 no efa nalalaka tanteraka ny Alahady lasa teo » hoy ny avy ao amin’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza voajanahary (BNGRC).
« Mbola tsy afaka miverina mianatra aloha ny mpianatra ao amin’ireo sekoly mbola ahitana tra-boina. Efa miezaka ny mitady vahaolana ho an’ireo tra-boina izahay. Tsy ho atao ambanin-javatra ihany koa anefa ny fampianarana ny zaza Malagasy’e hoy ny tompon’andraiki-panjakana. « Tsy tokony ho atao ambanin-javatra ny fampianarana ny zaza Malagasy. Tsara raha mitady toerana malalaka afaka handraisana ireo tra-boina mbola tsy tafaverina ny avy ao amin’ny fanjakana. Ho avy indray mantsy izao ny andro ratsy, dia ho tapaka indray ny fanabeazana. Hanao ahoana ny hoavin’ireo ankizy » hoy i Viviane, renim-pianakaviana mampiana-janaka ao amin’ny CEG 67 Ha.
Eo ampanarenana ny rava taorian’ireny andro ratsy ireny ny tompon’andraikitra amin’izao. Efa hita ny lesoka, tsara raha tsy miverina intsony izay efa nahavoa.
Nicole Rafalimananjara
