Actualités

Israel : Mbola mandà ny fiampangana azy i Benjamin Nétanyahou.

Tsy manaiky ny fiampangana azy ho nanao kolikoly ny minisitra israeliana Benjamin Nétanyahou, ny alatsinainy 08 febroary. 20 minitra teo ihany ny fandraisana azy tao amin’ny tribonalin’I Jerusalem, izay nandavany hatramin’ny farany ny heloka hiampangana azy. Mbola mitazona ny zavatra efa noteneniko an-tsoratra ihany aho hoy izy. Taratasy mirakitra izay tsy fanekeny ny kolikoly hiampangana azy izay. Ireo mpisolo vava an’I ministra Nétanyahou no nanoratra io taratasy io tao amin’ny tribonaly ny herinandro lasa teo. Efa ho 15 taona izao ity ministra israeliana ity no teo amin’ny fitondrana, ary izy no ministra voalohany notsaraina amperin’asa. Nomelohin’ny mpisolo vava an’ity minisitra ity ny mpitsara lehibe tao amin’ny tribonaly ao Jérusalem. Nolazain’izy ireo fa tsy hainy ny mitantana ilay olana. Izy izay napretak’I Nétanyahou teo amin’ny toerana maha mpitsara lehibe azy. Nanambara ny teo anivon’ny fitsarana fa ho adihadiana tsara aloha ny olana vao hanambara ny datin’ny fitsarana manaraka izy ireo. Midika izany fa, tsy hiakatra tribonaly alohan’ny fifidiana amin’ny 23 martsa ho avy izao intsony aloha I Bejamin Nétanyahou.

Laisser un commentaire