Hafatry ny synoda lehibe faha19 : Mitaky ny hijerena ny sosialim-bahoaka ny FJKM
Nisongadina tamin’ny hafatry ny synoda faha-19 nataon’ny FJKM tany Sambava ny raharaham-pirenena. « Manaitra ny fanjakana mba hijey bebe kokoa ny sosialim-bahoaka, ny tsy fandriam-pahalemana, ny fiarovana ny Malagasy miaina ao anatin’ny kere, ny fiarovana ny taniny sy ny fananany » hoy ny FJKM.
Nitodika amin’ny mpanao politika sy ny mpitondra fanjakana ny hafatry ny synod any amin’ny hitandrovana ny firaisam-pirenena. Mba tsy ho ny firehan-kevitra no anton’ny fizarazarana sy hampiady. « Aoka hikatsaka mandrakariva ny tombontsoa iombonana » hoy hatrany ny fiangonana FJKM. Nanao antso avo amin’ireo zanaky ny fiangonana manana andraikitra eo anivon’ny fanjakana koa ny FJKM mba hijoro amin’ny maha kristianina marina. « Mijoroa amin’ny fahamarinana ho olom-banona sy vonona. Ataovy vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly sy ny fijerena ny tsy fandriampahalemana ».
Nisy ihany koa ny toromarika nomena ireo mpino mba hanaja hatrany ny fahadiovana sy ny fiarovana ary fanatsarana ny tontolo iainana. « Atao laharam-pahamehana ny fijerena ny maha olona manontolo » hoy hatrany ny fiangonana. Etsy ankilany, ataon’ny fiangonana ho zava-dehibe ny fiainam-pianakaviana ka hametrahana rafitra iray handrindra ny asa mba hahatomombana kokoa ny fitaizana omen any ankohonana sy ny sekolim-pinoana. Nodinihina nandritra ity synoda ity ihany koa ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny toro-dalàna sy ny fitsipika (FDF) ka anisan’ny nasiana fanovana ny fidirana ho loholona. Tsiahivina fa voafidy fanindroany ho filohan’ny FJKM hatramin’ny taona 2025 ny mpitandrina Ammi Irako Andriamahazosoa.
Sitraka Rajaonarivony
