SocialTsidika

Sekoly tsy miankina : Ahemotra herinandro ny fidiran’ny mpianatra

Ampahefany ireo mpianatra ihany no niverina nisoratra anarana eny amin’ireo sekolim-panjakana. Nanapa-kevitra araka izany ireo sekoly tsy miankina vitsivitsy ny hanemotra heinandro ny fidiran’ny mpianatra raha toa ka ny voalohany ny volana septambra izao no hiditra ireo mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana.

Mbola ambany dia ambany ny tahan’ireo mpisoratra anarana, eo amin’ny manodidina ny 25% eo izany araka ny fanazavan’i Célin Rakotomalala, mpikambana eo amin’ny fitantanana nasionaly ny sekoly tsy miankina. Mba hahafahan’ireo ray aman-dreny manomana ny fidiran’ny mpianatra dia nanapa-kevitra ny hanova izany fidirana ho amin’ny 08 Septambra ireo sekoly tsy miankina vitsivitsy. Hoan’ireo ray amandreny kosa, nilaza izy ireo fa tena mavesatra sy manahirana ny fiatrehana ity fidiran’ny mpianatra tamin’ity taona ity.

« Mbola vao cahier sy stylos fotsiny izao no voavidy fa ny boky sy ny kitapo entina miatrika ny fidirana mbola tsy azo. Tena sahirana amin’ny fampirdirana mpianatra, tsy misy azo atao fa tsy maintsy hampianarina ny mpianatra » Hoy nambaran’i Romain, raim-pianakaviana iray.

Mety hihena ve izany ny tahan’ireo ankizy hiditra an-tsekoly amin’ity taom-pianarana 2021-2022 ity ?

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire