Hahazo fotodrafitrasa mpamokatra herinaratra amin’ny herin’ny masoandro i Morondava
Efa mandroso ny asa fametrahana fotodrafitrasa lehibe mamokatra herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro na ny « hybridation solaire » ankehitriny ao Morondava, Menabe. Tafiditra ao amin’ny velirano nataon’ny filoham-pirenena ho an’ny faritra Menabe izao tetik’asa izao tahaka ny efa hita any amin’ny faritra hafa. »Angovo madio, mora ampy mamaly ny filan’ny mpanjifa sy vahoaka Malagasy no tanjona amin’izao fotodrafitrasa goavana izao » hoy ny tompon’andraikitra. « Mety aminay aty aloha ilay izy satria mafana ny andro aty ka mety nyv mampiasa herinaratra azo avy amin’ny masoandro no sady manena ny sandan’ny jiro aloa ihany koa izany » hoy i Antoinette, mponina any Morondava. »Ny fahaiza-mitrandraka izay misy eo am-pelantanana no zava-dehibe amin’ny fampandrosoana no sady manamora ny fiainan’ny vahoaka eny ifotony » hoy i Faly, mpampianatra mikasika ny « Energies renouvelables » eny anivon’ny anjerimanontolo.Ilaina amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony tokoa ny fahaizana mampiasa sy mampivelatra ny misy eo am-pelatanana. Ny vahoaka rehetra ve anefa no hisitraka ity tetik’asa ity sa mba hampihenana ny filàna fotsiny ihany ?
Nicole Rafalimananjara
