PolitiqueTsidika

Niova akanjo amin’izay i Marc Ravalomanana

Vao tsy ela akory izay, taorian’ireny fitetezana tsena anaton’ny filoham-pirenena teo aloha no sady filohan’ny antoko mpanohitra, Ravalomanana Marc, ireny no nivoaka ny feo fa tsy misolo akanjo mihitsy ny tenany sy kihana hafa tsy lazaina intsony.

Tao no nilaza fa « mila hividiananareo akanjo i Ravalo fa iny foana no anaovany », tao kosa ny namaly indrindra ireo pomba azy ny tsy tokony hidirana lalina amin’izay fitafiana. Nivoaka tamin’ny fahanginany koa ity filoha teo aloha ity ny 10 aogositra teo ka nilaza ny mikasika ilay akanjo tsy niova mihitsy teny amin’ny kianjan’ny finoana Behoririka satria tokoa mantsy tsy ilay akanjo nahazatra ny mason’ny maro no nanaovany tamin’io.

« Misy milaza fa tsy miova mihitsy ny akanjoko, hitanareo izao ny fiovany ka toy izao koa ny fiovan’ny politika sy paik’ady rehetra » hoy ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara. Mbola nampiany ny hoe « Ianareo no matahotra fa tsy izahay. Mila manaraka ny hodidina na « contexte » isika hamahana ny olana eto amin’ny firenena ».

Fa inona marina no zava-misy eto amin’ny firenena ? Iza no matahotra an’iza ? Raha ny tokony ho izy dia iray no tanjon’ny rehetra, ny hampandroso ny firenena. Mizotra makaiza anefa ny firenena? Resaka akanjo aza dia hita horesahina. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire