Ambohimangakely: Mitohy ny hetsika fampisakafoanana eny an-tsekoly
Hetsika iray ataon’ny ben’ny tanàna sy ireo tomponandraikitra ao anatin’ny kaominina Ambohimangakely ny fanomezana tohana ara-tsakafo ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga fototra. Mitohy hatrany ny fanaovana ny hetsika amin’izao fotoana izao ary hisitraka izany avokoa ny EPP ao an-toerana, araka ny voalaza.
« Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny kaominina hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka. EPP maro no efa nanatanterahana ny hetsika hatramin’izao ary mbola hitohy hatrany izany. Marihina fa mandritra ny taom-pianarana 2022-2023 ity no hanatontosana izany » hoy ireo avy amin’ny kaominina.
« Zo fototra tokony ho sitrahan’ny ankizy ny misakafo. Ary mifameno amin’izany, mazoto mianatra sy mifantoka ny ankizy rehefa voky. Hisaorana ny tomponandraikitra satria manamaivana ny fahasahiranan’y ray amandreny ny hetsika tahaka izao » hoy ireo avy amin’ny mpanabe.
Anisan’ny olana sedrain’ny ankamaroan’ny mpianatra ny tsy fahampian-tsakafo noho ny fahasahiranan’ny ray amandreny. Hery lehibe ho an’ny mpianatra araka izany ny hetsika fampisakafoanana an-tsekoly.
Manitra R.
