ActualitésTsidika

Ambohimanga rova:  Sekoly miisa valo nitsidika maimaim-poana ny rova

Tao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny toerana miavaka sy ny zava-naorina, ny 18 aprily teo, dia nandray an-tanana ho fanamarihana izany ny avy amin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina tamin’ny alalan’ny Ofisy mitantana ny vohitra Ambohimanga OSCAR. Tamin’izany dia nisy ny fitondrana ireo mpianatra an’arivony nitsidika ny rovan’Ambohimanga.

« Mpianatra an’arivony avy amin’ny sekoly miisa valo no nentina nitsidika maimaim-poana ny vohitra Ambohimanga. Izany moa dia nentina nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny toerana miavaka sy ny zava-naorina. Ny rovan’Ambohimanga dia anisan’izay vakoka manan-tantara izany ary harem-pirenena lovain-jafy » hoy ireo tomponandraikitra.

« Zava-dehibe ho an’ny mpianatra ny fotoana toy izao ahafantarana ny tantara sy ny mahazava-dehibe ny vakoka eto amintsika. Tsy mbola ampy raha ny fampianarana sy ny fampahafantarana ny momba ny toerana miavaka sy ny zava-naorina eto amintsika kanefa anisan’ny fanalahidy amin’ny fampandrosoana sy ny fitiavana ny tanindrazana izany » hoy i Aina, mpampianatra.

Ny 18 aprily no hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny toerana miavaka sy ny zava-naorina. Loha-hevitra nentin’ny ministera nanamarihana izany ny hoe « Toerana miavaka sy zava-naorina vonona hiatrika ny loza manambana »

Laisser un commentaire