SocialTsidika

Inona ny vahaolana amin’ny tsy fandrimpahalemana any amin’ny faritr’Antanetibe Mahazaza ?

Miaina anaty tebiteby sy tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka malagasy amin’izao. Tsy mandry andro tsy mandry alina amin’ny fiarovana ireo fananany ny mponina. Mirongatra tokoa mantsy ny vaky trano, ny hala-botry  amin’iny faritr’Antanetibe Mahazaza Mahitsy  iny amin’izao. Velon-taraina ny mponina satria tsy misy azony atao hiarovany ny fananany, tsy ampy ihany koa  ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Ny mpitandro filaminana izay manana andraikitra lehibe amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Tokatrano telo izao no nisy namaky ny faran’ny herinandro lasa teo tany amin’iny faritra iny. Mihorohoro ny iray tanàna ary matahotra izay mety ho tohin’ny fahavakin’ ny tokatrano manaraka indray. Iza no tompon’andraikitra? Toa tsy hita izay fanapahan-kevitra raisin’ny solontenam-panjakana any an-toerana. Fa anisan’ny tena mahazo vahana ihany koa ny fangalarana trondro anaty dobo. Ity sehatra ity izay mahavelona ny mponina tokoa kanefa izao soparan’ny hafa izao. Hiandry ny dobo any an-tsaha ve izany no ho atao ? Mila hazaina ny ratsy, ary tompon’andraikitra amin’izany ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana ary ny solontenam-panjakana misy any. Tokony tsy hisy ny andrasoandraso sy ny fihainohainoana fotsiny fa samia mandray ny andraikiny. Hikatso ny fampandrosoana ny firenena raha mbola mahazo vahana ny ratsy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire