Ambohimangakely : Nandraisan’ny Kaominina fepetra ireo fiara tsy nanara-dalàna
Mpandeha iray no nitaraina noho ny tsy fanarahan-dalàna mihoa-papana nataon’ny fiara fitateram-bahoaka zotra E iray. Nandray andraikitra avy hatrany ny tompon’andraikitra taorian’izay.
« Sady tsy manaja mpandeha no tsy manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana. Mandeha mafy be maika hifanenjika amin’ny fiara manaraka fotsiny » hoy i Tsiry, mponina ao Ambohimangakely. « Efa nampidirina ambalatsazy ilay fiara nanao adalana. Nalefa eny amin’ny tobin’ny zandarimaria kosa ilay mpamily sy ny mpanampy azy hanaovana fanadihadihana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Maro ny fandikan-dalàna sy tsy fanajana mpandeha izay nataon’ izy ireo. Tsy vitsy ireo nitaraina noho ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny zotra E sasany.
Tsara foana ny fanomezana vaovao sy fitarainana toy izao ho an’ny tompon’andraikitra mba hikarohana vahaolana.
Nicole Rafalimananjara
