Toe-karena : Mila fahaizana manokana ny fitantanam-bola
Matatika ny olana eo amin’ny ara-pitantanana mihitsy no mampidina ny fari-piainan’ny olona iray. Miasa sy mampidi-bola izy, saingy toa lanilany fahatany izay vola azo. Ilaina noho izany ny manaraka fiofanana manokana mikasika ny fitantanam-bola.
« Mpiasa tsotra na miasa tena, na mpianatra eny ambarantonga ambony, eny fa na mpifankatia vao mikasa hanangana tokan-trano, natao ho antsika ny fiofanana fitantanam-bola. Azo atao ny misoratra anarana aty amin’ny BTC Ambohimangakely raha liana amin’izany isika » hoy i Diamondra, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC.
« Ahoana ny fomba handanjalanjana ny vola miditra sy ny vola mivoaka izany ? Tsy hay ho azy izany fa mila fahaizana manokana » hoy i Gerald, mpandalina ao amin’ny zanatsehatra toe-karena eny amin’ny anjerimanontolo.
Hanampy betsaka ny tanora tokoa izany fiofanana izany. Fotoana izao hanararaotana amin’ny fianarana mitantam-bola mba tsy ho sahirana rehefa manam-bola indrindra rehefa miasa tena sy mandraharaha.
Nicole Rafalimananjara
