Etats-Unis : Efa manomana ny sidina manaraka eny amin’ny volana ireo manam-pahaizana
Asa (mission) maromaro mahakasika ny volana no efa milahatra amin’izao fotoana. Ny « Artemis-1 » izay tarihin’ny NASA no anisan’ny laharam-pahamehana amin’izao fotoana. Efa nomanina ho afaka andro votsivitsy, eo anelanelan’ny volana martsa sy jona izao ny fiangaina any amin’ny ilabolantany avaratra.Tsy hitondra olona aloha ny « Artemis-1 » saingy fandaharan’asa iray izay manana tanjona hitondra ny vehivavy voalohany eny amin’ny volana amin’ny taona 2025. Raha ampitahaina ny asa (mission) tamin’ny taona 60 sy 70 dia natao ho an’ny fisiana maharitra eny amin’ny volana ny « Artemis-1 » ary natao hiomana amin’ny sidina makeny amin’ny planeta Mars.
