ActualitésTatitra

Asie : Maritrano mampiavaka ny kaontinanta ny « Pagode « 

Ny teny hoe «Pagode » dia manondro ireo toerana ahitana relijiozy sy toeram-pivavahana ho an’ny mpino ny « bouddhisme ». Maka endrika tilikambo misy rihana maromaro izy io ; boribory, valozoro na efamira ; miavaka amin’ny tafony « évasé » » na « épi ». Ireo tempoly antsoina hoe « stûpa » ao Inde na « zedi » ao Chine ao Asie atsinanana no tena manaraka io maritrano io.

Tao Inde no niandohan’ny endrikin’ny «Pagode » raha ny tantara. Niparitaka tao China izany tamin’ny taonjato faha-2 manoloana ny fiparitahan’ny « bouddhisme » ary nihitatra hatrao Corée sy Japon. Ny «Pagode »  maoderina dia maka endriki’ny « stûpa indien » kokoa izany hoe maka endrika teoram-pandevenana na izay ahafahana miaro sy manaja ireo vakoka masina.

Laisser un commentaire