Kolontsaina : Miezaka miaro ny mpanakanto hatrany ny OMDA
Efa nisokatra nanomboka ny 1 jolay ny fanangonana ny hira noforonina eny amin’ny Tranombokim-pirenena Efitrano Gisèle Rabesahala. Ireo sangan’asa sy ny mombamomba azy ahafahana mametraka ao amin’ny tahirin’ny OMDA no ilaina amin’izany.
« Afaka miaro tsara ny mpanakanto iray ny OMDA raha sendra misy ny hosoka aorian’izao. Tsara raha manaraka ny lalàna hatrany isika mba tsy hisy ny olana » hoy ny tompon’andraikitra. Efa vonona ny rindrambaiko ahafahana mamaritra sy mamantatra ny isan’ny hiran’ny mpanakanto mandeha isanandro, amin’ny haino aman-jery. Natao indrindra izany mba ahafahan’ny teknisianina manodina izany ho nomerika. Azo atao tsara ny mampiditra izany ao anatin’ny rindram-baiko » hoy hatrany izy ireo.
Azo antsoina hoe mpanakanto avokoa ireo misehatra anaty zava-kanto. Manana zo feno ami’nny maha mpanakanto azy rahateo izy raha voarakitra any amin’ny OMDA ny asa sorany.
Nicole Rafalimananjara
