Mbola mitohy ny fampitandremana amin’ny haavon’ny alon-drano any Atsimo
Andro vitsivitsy izay no nahitana fiakarana ny alon-drano any atsimon’ny Nosy izay efa nampitandremana ireo mpampiasa ranomasina rehetra. Mbola mitohy ary mitoetra ny fikorotanan’ny ranomasina amin’ny morontsiraka atsimon’ny nosy hatramin’ny Alahahady 23 May izao raha ny tatitra navoakan’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro. Anton’izany ny tsiokan’ny Alizay antoniny na matanjaka satria mahatratra eo anelanelan’ny 40 hatramin’ny 55 km/ora ny tafio-drivotra. Mety hahatratra 2,5 hatramin’ny 3,5m ny haavon’ny onja. Miangavy sy manentana ireo mpampiasa ranomasina hatrany ny avy ao amin’ny sampana indrindra ny mpanjono mba tsy hiandriaka amin’ireo toerana ireo mandrapaha-foana ny tandindon-doza ary hanaraka tsy tapaka ny toro-mariky ny manam-pahefana eny ifotony. Efa ambanin’ny 2m ny haavon’ny onja amin’ny morontsiraka atsimon’ny Nosy. Vinavinaina hisy indray ny fiaviana alon-drano vaventy ny alahady 23 may 2021 amin’iny toerana iny. Sarobidy ny aina ary tsy misangy ny natiora koa tsara raha manaraka hatrany ny toro-marika eny ifotony ny mpiandriaka.
Ally Herisoananahary
