Espagne : Firenena 55 avy amin’ny kaontinanta 5 no nivory tao Madrid hanarina ny fizahan-tany iraisam-pirenena
Notontosaina ny talata 19 mey teo, ary hifarana ny 23 mey ho avy izao ny foara ara-pizahantany iraisam-pirenena tao Madrid. Ny 19 hatramin’ny 23 mey, miomana handray mpitsidika miisa 10 000 ao amin’ny foibe fampirantina Ifema ny Fitur, toerana izay nandraisana ny mararin’ny coronavirus tamin’ny onja voalohany. Mba hanamorana ny fahatongavan’ireo solontena avy amin’ny firenena maro, nasiana tombotsoa ho an’ny rehetra ny hetsika izay natao. Nohamoraina ny fanomezana “visa” ho an’ireo mpandray anjara vahiny ary hampihenana ny sandan’ny hetra alohan’ireo orinasa ao Espagne mandray anjara amin’izany. Ankehitriny, miandry ny fankatoavan’ny Union Européenne i Espagne mba ahafahany mamelona ny sehatry ny fizahan-tany.
