SportTatitra

Monaco : Fe-potoana tsara indrindra azon’i Charles Leclerc tamin’ny andrana faharoa

Masina an-taniny ve ny mpimasy ? Ny tompontoerana no nahavita ny fe-potoana tsara indrindra tamin’ny andrana faharoa amin’ny Formule 1 ao Monaco omaly. 1.11.684 no nahavitan’ny Charles Leclerc (Ferrari) ny fihodinana ny kianja. Manaraka azy eo i Carlos Sainz (Ferrari, +0.112), ary fahatelo i Lewis Hamilton (Mercedes, +0.390). Asa raha hitohy rahampitso sy amin’ny alahady ity vokatra tsara ity.

Laisser un commentaire