ActualitésTatitra

Grande-Bretagne : Mpifindra monina maro no navotana tao amin’ny Manche

Miisa 106 ireo mpifindra monina navotan’ny manam-pahefana frantsay ny alakamisy 20 mey lasa teo. Nikasa niampita ny Manche ireto mifindra monina ireto ary ho any amin’ny morontsirak’i Angletera tamin’ny sambo telo. Tamin’ny 2 ora maraina tany ho any no niditra an-tsehatra ireo mpamonjy voina tany Dunkerke, toerana izay nahita olona 36 sahirana teny amin’ny sambo. Ny alina kosa no naka sambo miisa 21 ny fikambanana mpomonjy voina an-dranomasina, alohan’ny nametrahana azy ireo tao amin’ny seranan’i Dunkerke. Akoatra izay, nanampy olona vaky sambo nitondra mpifindra monina 49 izy ireo. Nentina niverina tany Calais izy rehetra, ary samy salama tsara.

Laisser un commentaire