Brésil : Nahitana tranga “variant indien”
Nanaovana fitsapana ireo olona 6 tonga tamin’ny sambo mpitantitra entana ao amin’ny “MV Shandong Da Zhi” ho any Afrika Atsimo, ka izay no nahafantarana fa misy varian B.1.617.2. Mpikambana miisa 15 no nanaovana fitiliana voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina covid-19 raha toa ka 9 no tsy nahitana izany tsimok’atretina izany. Ireo enina kosa dia no nahitana fisian’ny B.1.617.2. Efa nahatratra maherin’ny 3,4 tapitrisa ny olona matin’ny coronavirus ny volana desambra 2019 araka ny tatitra avy amin’ny Agence France-Presse (AFP) ny alakamisy 20 mey lasa teo. Aorinan’ Etas-Unis (588 000), ny firenena Brésil no be olona maty indrindra (444 000).
