Etats-Unis : « Siamois » mbola velon’aina soa aman-tsara
Teraka ny 7 martsa 1990 i Abigail Hensel sy Brittany Hensel. Avy aoa Amérique izy roa vavy ireo ary manana enrdrika miavaka. « Siamois » na kambana miraikitra mantsy izy roa vavy ireo. Mitambatra noho izany ny vatana, samy manana ny fony kosa izy, ny vavoniny, ny avokavokany ary ny hazon-damosina izay mifandray eny amin’ny fotony.
Raha fohy ny fotoam-piveloman’ny kambana miraikitra amin’ny ankapobeny dia naharitra 32 taona i Abigail Hensel sy Brittany Hensel ary mbola velon’aina soa aman-tsara. Samy mibaiko tanana iray sy tongotra iray izy roa vavy ireo ary tena miara-miasa tanteraka. Ny ambiny taova toy ny nono, ny taovam-pananahana, ny aty, ny voa, ny tsinaibe … nop hiraisan’izy ireo.
Marihana fa miaina toy ny olona rehetra izy ireo ary miasa mampianatra.
Toutes les réactions :
77
