Maurice : Zohy ny divay lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe indianina ny nosy
Ao amin’ny nosy Maurice no ahitana ny zohy (cave) lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe indianina raha ny valim-panadihadiana iray. Mamarotra 450.000 tavoahangy mahery isan-taona ny nosy ary ny vondrona hotely Constance izay mifikitra amin’ny kolontsain’ny divay dia mandray anjara betsaka ao anatin’izany.
Isan-taina dia manafatra divay izay isany tsara indrindra avy amin’ny firenena maro io orinasa io. Mamavaky ny ranomasimbe indianina izany alohan’ny higadonany ao amin’ny seranan-tsambo ao Port-Louis. Aorian’izany dia mitoby ao amin’ny zohy ny hotely ireo divay tsara kalitao ireo. Mila fahaizana ny fikirakirana izany manoloana ny « pression atmosphérique » sy ny hafanana ao amin’ny nosy ka mety hampatoy vetivety ny divay hoy i Jérôme Faure, misahana ny sampana divay ao Constance.
