ActualitésTatitra

Russie : « Vorona » no fiantso ny goaika

Fantatrao ve ny « vorona » ? Tsy teny Malagasy izy io fa teny russe, ka eo amin’ny vanin-teny farany no misy ny tsindrim-peo. Goaika no dikany amin’ny teny Malagasy.

Vorona nanan-danja nandritra ny andro ny faha-mpanjaka teto Madagasikara ny goaika. Vantany vao nihoraka ity vorona ity dia nampiantso mpanandro ny mpanjaka Andrianampoinimerina tamin’izany fotoana ary hatramin’ny fitondran’i Radama I dia nisy lalàna mandràra ny famonoana goaika. Nanomboka teo amin’i Radama II nefa dia tsy nisy intsony famahana sakafo ny goaika ka heverina fa antony naharava ny fanjakany sy ireo rehetra nandimby azy izany.

Goaikia no fiteny merina tranainy io vorona io saingy nivoatra ho lasa Goaika izany. Misy karazany corvidea izay hivondronana karazam-borona 130 isa izy io. Tafiditra ao anatin’izany ny karazana goaika, izay misy am-polony mahery toy ny corvus cryptoleucus, corvus torquatus, corvus macrorhynchos, corvus albicollis…

Ny karazana corvus ablus na corbeau pie ihany no hita eto Madagasikara. Ao amin’ny morontsiraka atsinanan’ny nosy no tena nahitana azy, toy ny vatotr’akoho ny habeny ary toy ny lokom-boanjo manta ny tamenan’ny masony, mainty ny vavany sy ny tongony ary ny hohotongony, mainty mamiratra manga kosa ny volony ary miloko fotsy ny ambany sy mihodidina ny vozony. Nofom-biby sy bibikely ary voanjo kosa no sakafony.

Laisser un commentaire