ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Mihatra ny didy mandrara ny fivezivezena amin’ny alina

Manoloana ny tsy fandriampahalemana izay nahazo vahana tato ho ato ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, namoaka ny didi-pitondrana ireo tomponandraikitra miadidy ny tanàna mahakasika ny fandrarana ny fivezivezena amin’ny alina.

« Ao anatin’izany voarara ny mivezivezy ao anatin’ny kaominina manomboka amin’ny 09 ora alina ka hatramin’ny 03 ora maraina, tsy maintsy mitondra karapanondro ireo tsy maintsy mivoaka ary misy antony manokana » araka ny voarakitra ao anatin’ny didi-pitondrana.

« Ho an’ireo mpiasa tsy maintsy miasa amin’ny alina kosa dia tsy maintsy manana ny karatra maha mpiasa avy amin’ny mpampiasa na orinasa misy azy. Mihidy amin’ny 09 ora alina ireo bar sy karaoka ary foana avoka ny fanaovana lanonana amin’ny alina » raha ny voalaza hatrany.

Efa ela no niandrasana izao fanapahan-kevitra izao ny mponina ao an-toerana. Ny fandriam-pahalemana ao an-toerana izay efa mampitaraina ny mponina ao an-toerana. Manan-kery ary mihatra mandritra ny fotoana tsy voafetra moa ity didy ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire